
Madagasikara Am-Perin'asa












Nojerena ifotony ny fandrosoana sy ny sakana amin’ny fanatanterahana ny MAP
Manana ny harena rehetra ilaina amin’ny fampandrosoana ny faritry Melaky : ala, zohy ho an’ny mpizahatany , tanimboly ary indrindra ny fahavononan’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ary ny finiavan’ny mponina hampandroso ny faritra.
Tobin’ny voafonja – Andrafia :
Miisa 90 ireo voafonja ao Andrafia. Mamboly sy miompy izy ireo ; ary izay no afahany manana fahampiana ara-tsakafo. Mahatratra 60 kg isan’andro mantsy ny katsaka azon’izy ireo. Miisa 69 kosa ny omby ao amin’ny toby izay ampiasaina amin’ny fambolena.
Ankotra izay dia mamboly anana ny voafonja ka rehefa miakatra ny vokatra dia alefa ao Maintirano varotana ; ka izy ireo ihany no mihazona ny vola azo amin’izany.
Miavaka ity tobin’ny voafonja ity amin’ny fahadiovan’ny toerana sy ny fahamarinan’izy ireo amin’ny fihazonana ny vola izay azo amin’ny varotra volaza etsy ambony.



Sekoly namboarin’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ampandra – Kaomina Andrea :
An-taonany maro izay no nandeha lavitra ny ankizy ao amin’ny fokontany Ampandra rehefa hianatra ; hany ka zary sakana ho an’ny ray aman-dreny ny mandefa ny zanany any an-tsekoly.
Nanapa-kevitra ary ny fokonolona fa hanangana sekoly ny taona 2006. Tsy nisy ny biriky sy ny simenitra fa ny akora tao an-tanàna ihany no nampiasaina : bararata, tany…
Ny firaisankina sy ny herim-batana no hery nentin’izy ireo nananganana ny sekoly.
Vokany, nitombo ny zaza niditra an-tsekoly ary mazoto ny ray aman-dreny mandefa ny ankizy mianatra.
Nanomboka teo dia nahazo mpampianatra sy dabilio avy amin’ny CISCO ny sekoly. Nohon’ny fahamaroan’ny mpianatra anefa dia tsy mahazaka azy ireo intsony ny efitrano fianarana ; ka nentanina ny mponina hanorina efitrano fianarana vaovao ; ary hampian’ny faritra izy ireo amin’ny fampitaovana.


Kaomina Betanatanana : nanana tanimbary 8000 ha telopolo taona lasa
Telopolo taona lasa izay dia nanana tanimbary mirefy 8000 ha ny kaomina Betanatanana ; ka nafahany nanondrana vary. Amin’izao fotoana izao anefa dia tsy mamokatra intsony ny tany ao an-toerana nohon’ny tsy fahampian’ny rano sy ny tsy fampiasana ny tany. Ny renirano Rivodemoky moano manondraka ny tanimbary.
Noho izay tsy fahampian-drano izay dia fokontany maro no nanana olana teo amin’ny fambolena vary. Mba hampandeha tsara ny rano ary dia nanadio ny lakan-drano ny mponina ao amin’ny fokontany Ambonara, Ampania, Mahavelo ary Andranomadio ; ka nitondra voka-tsoa ny fientanan’ny mponina.


Tsingy Beankaha :
Ao amin’ny tanànan’Ambinda no misy ny tsingin’ny Beankaha sy ny ala manana velarana 17 000 ha. Ny Biodiversité Conservation Madagascar (BCM) no mitantana azy ireo ary eritreretina ny ametrahana azy ho toerana voaaro mba isian’ny mpizahatany ka hampandroso ny faritra.



