
Madagasikara Am-Perin'asa













Afahana manatanteraka ireo fanamby rehetra ao anatin’ny MAP dia ilaina ny fiaraha-midinika eo amin’ireo sehatra rehetra sy ny mpiray ombon’antoka eto amin’ny firenena. Napetraka araka izany ny Loabary an-dasy.
Ny taona 2007 no nisy ny Loabary an-dasy voalohany ; ary nivoitra tamin’izany ireo sakana rehetra atrehana eo amin’ny fanatanterahina ny MAP. Samy nametraka fanamby anefa ny mpandray anjara rehetra tamin’ny taon-dasa mba handrosoana.
Tonga ary izao ny fotoana hanaovana ny tomban’ezaky ny taona 2007 eo amin’ireo fanamby napetraka. Ka ho tanterahina mialohan’ny faran’ny taona ny loabary an-dasy 2008.
Ho an’ireo fanamby nahitàna fahombiazana ary dia ho zaraina ny mety fanalahidin’izay fahombiazana izay afahan’ny rehetra maka lesona sy maka tahaka. Ho voaboasana kosa ny antony tsy nahatanterahana ny fanamby sasany ary dinihina miaraka ny fomba sy ny fiaraha-miasa mahomby anatratrarana ny tanjona ; miaraka amin’ny toe-tsaina tokony hananana. Mikasika ireo mpandray anjara dia hivelatra kokoa izy ireo amin’ity taona ity.
Nihaona tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Lapan’ny Mahazoarivo ny Praiminisitra Charles Rabemananjara sy ny Sekretera Jeneralin’ny MAP Andry Ralijaona ny talata 04 novambra, nampahafantatra ny famerenana ny Loabary an-dasy.



Une version audio a télécharger ici, merci