Hanana toekarena mitombo haingana i Madagasikara; ny tahan’ny fitombon’ny harin-karena faobe dia hahatratra 7 ka hatramin’ny 10 isan-jato amin’ny taona taona 2012.
Hanana sehatra tsy miankina mivelatra sy matanjaka, tarihin’ny varotra sy ny fampiasam-bola avy eto amin’ny firenena sy avy amin’ny faritra ary avy amin’izao tontolo izao i Madagasikara. Ataon’ny fitondrana izay hametrahana fepetra fototra ho fanamorana ny fandraharahana. Hamporisika ny fampiharana sy fampiasana fahaiza-manao, teknolojia, paikady avo lenta isika mba hahafahan’i Madagasikara miatrika ny fanambin’ny fanontoloana sy mampiasa izany ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.