Madagascar Action Plan

Madagasikara Am-Perin'asa

Teny ifanomezana 4: Fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra

Madagascar Action Plan

Ataon’ny Governemanta ho vaindohan-draharaha ny fampandrosoana mavitrika ny tontolo ambanivohitra sy ny fanalefahana ny fahantrana. Izany dia amin’ny alalan’ny fiovana lehibe maitso izay hampivelatra ny vokatry ny fambolena. Hatsangana isam-paritra ny ivo-toerana misahana ny fandraharahana ara-pambolena mba hanohana ny tantsaha amin’ny fahaiza-manao, ny fitarihan-drano, ny masomboly, ny zezika ary ny trano fitehirizam-bokatra. Hapetraka koa ireo lalana sy tambanjotrampifandraisana mifanaraka amin’ny toetrandro.

Ny vaovao farany

Marovoay

Tontosa tao amin’ny fokontany Bepako ao amin’ny Distrikan’i Marovoay ny hetsika fanombohana tamim-pomba ofisialy ny Fiovana Lehibe Maitso ; izay tafiditra indrindra amin’ny teny ifanomezana faha-4 dia ny “Fampandrosoana ny Tontolo Ambanivohitra”. Velaran-tany 21.000ha no kendrena ho ajariana amin’izany. Tonga tany an-toerana nanotrona ny lanonam-panokafana ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta; ny Minisitra sy Minisitra lefitra ary ireo mpiaramiasa izay nisolotena ny minisiteran’ny [...]Tohiny  
 

Ireo teny 8 ifanomezana

 
 

Ireo Tanjona