
Madagasikara Am-Perin'asa
Teny ifanomezana 2: Fotodrafitrasa mifandray

Ho firenena mifandray isika. Hanorina làlana manana kalitao avo, sy rafitra momba ny hairahan’ny fifandraisana manerana ny firenena isika mba hahatomombana ny fampandrosoana haingana, ny fanamoràna ny sehatry ny fandraharahana sy ny varotra, ny serasera eo amin’ny tompon-tany sy ny vahiny, ary mba hanatsaràna ny fari-piainana, ny fahazoana ny enti-manana ary ny fahalalana ankapobeny ho an’ny rehetra.
