
Madagasikara Am-Perin'asa
Rafitra vaovao atsangana hitondra dingana lehibe

Ny NLIM dia natsangana tamin’ny taona 2006 mba ho ivotoerana hanamafisana ny fahaiza-mitarika eo amin’ny sehatra rehetra dia ny fitantanana ny fanjakana, ny seha-pamokarana tsy miankina ary ny fiaraha-monim-pirenena.
Fanofanana avo lenta eran-tany no atolotra mba ahafahan’ny mpandray anjara ho matihanina, hiasa am-pahamarinana, hahay hamaha olana, mba hahatrarana ny tanjona.
Ny EDBM dia natsangana ny taona 2006 mba hampiroborobo
ny seha-pamokarana tsy miankina na ny eto an-toerana na
ny avy any ivelany. Ny EDBM dia nomena andraikitra mba
hampivoatra ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara
mba hisarika ireo mpampiasa vola sy hampahomby ny
tetikasan’izy ireo.
