
Madagasikara Am-Perin'asa
Ny olona: fototra iorenan’ny fanatanterahana ny MAP

Raha jerena ifotony, ny fitarihana dia ny fanentanana ny daholobe hiatrika ny zava-misy, hamaha olana, hamokatra, sy hanatratra ny tanjona. Mila mpitarika mahay isika amin’ny sehatra rehetra – eo anivon’ny governemanta, eo amin’ny sehatry ny fandraharahana, ny fiangonana, ny sekoly, ary ny fiarahamonim-pirenena hanao izany asa izany. Noho isika nozanahana fahiny, nandalo tamin’ny fitondrana sosialista, ary firenena niankin-doha tamin’ny mpamatsy vola, dia lasa fahazarana tao an-tsain’ny maro ny miandry olon-kafa hitarika antsika. Tsy maintsy hovaina izay fomba fijery izay. Mba hazahoana ny fitarihana ilaintsika, dia ataontsika izay ahitana sy hanakaramana olona mahay sy mahavita zavatra, ary omena toerana tompon’andraikitra ambony izy ireny ahafahany mitarika ny fanavaozana.
Manaraka izany, mba hanohanana ny fanamafisana ny fahaizamitondra
dia natsangana eny amin’ny Lapa-panjakana eny Iavoloha, ny National Leadership Institute of Madagascar. Io sekoly io dia hanofana ny minisitra, ny sekretera jeneraly, ny tale jeneraly, ny lehiben’ny faritra, ny lehiben’ny distrika, ary koa ny mpitarika tanora, ny mpitarika eo amin’ny fiarahamonim-pirenena, sy ny mpitarika mpandraharaha. Hanamafy ny sekoly hafa toy ny ENAM sy ny oniversite ihany koa isika. Ireto avy izany ireo fanamby lehibe momba ny fitarihana izay hatrehintsika, amin’ny maha governemanta antsika, sy amin’ny maha firenena antsika:
Tsy maintsy ovana ny fomba fijery, ny fomba fanao, ary ny fomba fiasa izay hitondra any amin’ny lalan’ny fahombiazana. Amin’ny maha mponina antsika, tsy maintsy raisintsika an-tanana ny fandresena ny tahotra sy ny loza amin’ny fanatrehantsika izao fotoan’ny fanatontolona izao. Tsy maintsy afaka manararaotra ireo tombontsoa maro dia maro eran’izao tontolo izao isika. Mitaky fiovana ny fandrosoana. Marina fa betsaka ihany koa ny zavatra sarobidy sy mila arovana, eo amin’ny kolontsain-tsika. Kanefa, misy lafiny maromaro amin’ny fomban-drazantsika, sy amin’ny finoantsika, no tsy maintsy hovaina, na foanana. Ny asa“leadership”, na eo anivon’ny firenena manontolo, na eo anivon’ny toerana iray manokana dia manamora izany fizorana amin’ny fiovana izany, amin’ny alalan’ny fihainoana, ny fifanakalozan-kevitra, ny fandrisihana, ary ny fianarana.
Samy leo kolikoly avokoa isika rehetra. Mampiakatra ny vola lany amin’ny fandraharahana ny kolikoly. Mampiakatra ny vola lanin’ny governemanta amin’ny fiandraiketandraharahany
ny kolikoly. Ho hentitra momba ny endriky ny kolikoly rehetra ny asa “leadership”, ary tsy hamindra fo na inona na inona. Raha hentitra isika, tsy maintsy manondrotra soatoavina mivoatra, na eo anivon’ny governemanta, na eo anivon’ny fiarahamonina. Ireo izay voarohirohy amin’ny raharaha kolikoly, na mpiasam-panjakana izy ireo, na mpandraharaha iraisampirenena, dia manome hasina ny tombontsoany manokana, manoloana ny tombontsoan’ny fiarahamonina na ny tombontsoan’ny firenena. Ny mpitondra dia tsy maintsy manandratra amin’ny fomba mahery vaika – amin’ny teniny sy amin’ny asa ataony – ny soatoavina sy nyfomba fiasa manorina ny firaisan-kina nasionaly, ny fahamarinana, ny fangaraharana ary ny fahombiazana.
Fahaizana, fahaizana, fahaizana! Mila mampitombo haingana ny fahaiza-manaony, sy ny teknolojia i Madagasikara, mba hahatonga azy hahomby ao amin’ny tontolon’ny fifaninanana sy ny fanatontolona. Tsy ho vita vetivety akory izany, nefa tsy maintsy manafaingana ny fomba fianarantsika isika. Izao ny paikadintsika: miantso manapahaizana iraisampirenena isika mba hampianatra antsika, misarika ny Malagasy any ivelany mba hiverina aty an-tanindrazana, ary mandefa Malagasy hanaraka fampianarana, eto an-teorana sy any ivelany.
Mila fanentananana goavana an’izay rehetra ananantsika isika, mba hanantanterahana ny MAP: ny vola, ny teknika, ny fitaovana, ny olona. Mitaky fahaiza-mamorona izany, mitaky fasahiana misandratra, ary mitaky “leadership”. Fara faha keliny, zavatra telo no fantatsika fa tsy maintsy ataontsika:
1) Tsy maintsy mavitribitrika isika mitady mpamatsy vola hanampy antsika – tsy ireo mpamatsy vola lehibe indrindra ihany, fa tokony hitady hatrany mpamatsy vola miroalany (bilatéral), ary koa ireo fikambanana iraisampirenena;
2) Mikatsaka ny hahavita tena isika, ary tsy hiankin-doha amin’ny mpamatsy vola intsony. Noho izany tsy maintsy azontsika antoka fa voatantana amin’ny fomba mahomby sy mitera-bokatsoa be indrindra ho an’ny firenentsika ny loharanon-karentsika; ary 3) hanao fanavaozana tanteraka ny fitsipi-pifehezana sy ny fomba fanao momba ny hetra mba ahazontsika mampitombo be dia be ny vola miditra ho an’ny fanjakana, ka afahana mamatsy vola ny programan’asa sosialy toy ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fandriampahalemana, ary ny fampandrosoana ny any ambanivohitra.
