Madagascar Action Plan

Madagasikara Am-Perin'asa

Ny laharam-pahamehan’ny MAP fisantarana fanavaozana mahery vaika

Madagascar Action Plan

Vonona isika hanatanteraka ny fanomezan-toky ao anatin’ny MAP. Manao ezaka firenena mpamaky lay i Madagasikara hanatanteraka dingana tsy mbola hita taratra teo anivon’ny firenena an-dalam-pandrosoana. Mba hahatongavana amin’izany tanjona izany dia hampihatra ireto fanavaozana fototra manaraka ireto isika izay antsoina hoe “fisantarana fanavaozana mahery vaika”. Izany dia asa maika mitaky fandraisana andraikitra haingana, fitarihana hentitra, fiaraha-miasa eo amin’ny Ministera isan-tsokajiny, ary enti-manana voatokana amin’izany.

Fepetra 1:

Fanavaozana ny fitantanambolam-panjakana

Tsy maintsy ampitomboina ny fampidiran-ketra hahafahana mamatsy ara-bola ireo tetik’asa voarakitra ao anatin’ny MAP. Zava-dehibe tokoa izany mba hampihenana ny fiankinandohantsika amin’ny mpamatsy vola avy any ivelany. Hatramin’ny taona 2005 dia isan’ny lesoka tsy maintsy ho arenina io.

Ankehitriny, eto Madagasikara dia manodidina ny 10 isan-jaton’ny hari-karena faobe ny totalin’ny fidiram-bolam-panjakana avy amin’ny hetra sy ny fadin-tseranana. Ezahina ny hampiakatra izany ho 15 isan-jato hatramin’ny taona 2012. Mitaky fanovana goavana izany mikasika ny lalàna mifehy ny fandoavan-ketra -mba hanamorana azy - sy ny rafitra ary ny fomba fitakian-ketra - mba hahatonga izany hahomby sy ho ara-drariny.

Amin’ny fiandohan’ny taona 2007, dia hanatontosa fanadihadiana lalina mikasika ny lalàna mifehy ny fandoavan-ketra isika. Hanampy antsika amin’izany ny Tahirim-bola Iraisam-pirenana (Fonds Monetaire International) sy ny Banky Iraisam-pirenana (Banque Mondiale). Hisy koa ny fiaraha-miasa mavitrika amin’ny mpandraharaha eo amin’ny seha-pamokarana tsy miankina sy ny fiaraha-monim-pirenena amin’izany.

Eo anivon’ny Governemanta kosa, dia hisy fandraisana andraikitra sy fanaraha-maso hentitra momba ny fampiasam-bolam-panjakana; koa izany dia mitaky fametrahana laharampahamehana ho an’ireo tetik’asa vatsian’ny Governemanta vola, tetik’asa hampitombo haingana ny toe-karena sy hanamora ny fanatanterahana programa sosialy goavana.

Fepetra 2:

Fampitomboana ny fampiasam-bola

Ampitomboina haingana ny fampiasam-bola mba hitondra fivoarana lehibe eo amin’ny toe-karena. Amin’ny alalan’ny Economic Development Board of Madagascar, na Filan-kevitry ny Fampandrosoana ny Toe-karen’i Madagasikara, dia hamolavola teti-pivoarana hentitra isaky ny sehatra isika mba hampivelatra haingana ireo sehatra mpanondrana entana sy ny sehatry ny fizahan-tany: ny famokarana, ny fanodinambokatra, ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ary ny fizahan-tany.

Hatomboka amin’ny fampahalalana an’izao tontolo izao fa firenena afaka mifaninana mba hampamokatra ny fampiasambola i Madagasikara. Hataontsika ho laharam-pahamehana ny fanamboarana ny foto-drafitr’asa hanohanana ny orin’asa fototra. Hapetraka ny fitsipika sy ny fepetra hanamorana ny fisarihana, ny fandrosoana, ary ny fivelaran’ny sehatra fototra izay omena ny tombon-tsoa sahaza azy.

Havaozina ny lalàna momba ny fananan-tany mba hahafahana mampitombo ny fahatokisan’ny mpandraharaha. Hametraka lalana mampiseho fahasahiana isika mikasika ny fampiasambola, ary hametraka rafitra mahomby araka ny lalàna mba ahafahana manaraka sy mampihatra ny fanajana ny fifanarahana; ho amafisina ny fanelanelanana mikasika ny fifandirana ara-barotra eo anivon’ny mpandraharaha; ary ho amafisina ny fiantohana ny fampiasam-bola. Ho apetraka ny fepetra hamahana ny sakana mba hahafahan’ny mpandraharaha mampiasa vola an-kahalalahana.

Fepetra 3:

Fanombohana ny dingana maitso lehibe (Révolution Verte)

Hatomboka ny asa hahatontosana dingana maitso lehibe eto Madagasikara. Izany dia hikendry ny fampiroboroboana ny vokatry ny tantsaha mpamokatra ka hahafahana miantoka fa tsy hisy intsony ny mosary, ka hisy fitomboana lehibe ny vokatra hamatsiana ny eto an-toerana ary hisy ambim-bava hahafahana manondrana any ivelany.

Hatramin’ny taona 2005 dia nanafatra vary avy any ivelany i Madagasikara; ao anatin’ny taona vitsy dia ho lasa mpanondrana vary sy vokatra hafa i Madagasikara. Hahafahana manatanteraka ny dingana maitso lehibe, dia hanao ezaka ny Governemanta hiantoka ny fahazahoan’ny tantsaha mpamokatra ny masom-boly, ny zezika, ary ny fiofanana ilaina. Ho apetraka ihany koa ny lamina hananganana fiaraha-miombon’antoka vaovao hanampy amin’ny fanangonana sy ny fizarana ny vokatra.

Fepetra 4:

Fanatsarana ifotony ny fandriam-pahalemana

Ny dahalo eny ambanivohitra dia sakana iray lehibe ho amin’ny fampandrosoana. Ao koa ny olana goavana mikasika ny fanondranana antsokosoko vato soa sy hazo ary ny fanjonoana tsy ara-dalana. Havaozina ifotony ny rafitra sy ny fomba fiasa mikasika ny fandriam-pahalemana hahatonga an’i Madagasikara ho firenena milamina sy mandry fehizay, ahafahan’ny tsirairay mamokatra, mivezivezy, mampiasa vola ary manao asa aman-draharaha malalaka.

Fepetra 5:

Fepetra mikasika ny fahasalamana sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana

Haingana loatra ny fitombon’ny isan’ny mponina eto Madagasikara. Tokony hahena ny isan’ny zaza ateraka. Ny faritra sasany eny ambanivohitra dia hahitana zaza fito hatramin’ny folo isan-tokan-trano. Ho amafisina ny fanapariahana ny fanabeazan’aizana sy ny toro-hevitra mikasika izany ahafahana mampihena ny isan’ny zaza ateraka.

Mamely ny faritra maro eto Madagasikara ny tazo. Hatramin’ny taona 2005 dia antsasaky ny mponina eto Madagasikara ihany no voaaro amin’ny alalan’ny fampiasana ny lay fiarovana amin’ny moka. Efa natomboka ny tetik’asa fiarovana amin’ny tazo ka ao anatin’ny roa taona dia atao izay hahazahoan’ny Malagasy tsirairay avy lay fiarovana amin’ny moka.

Ny fanambintsika koa dia ny hanao izay hifehezana ny fihanaky ny VIH – SIDA mba tsy ho lasa toy ireo firenena Afrikana maro i Madagasikara. Hatramin’ny taona 2005, dia ambanin’ny iray isan-jaton’ny mponina no mitondra ny otrik’aretina SIDA, raha mahatratra telo-polo isan-jato izany ao Afrika Atsimo. Efa napetraka eto Madagasikara ny paik’ady mahomby ao anatin’ny Politika iadiana amin’ny VIH – SIDA.

Fepetra 6:

Fampivoarana ifotony ny rafi-pitsarana

Hanatanteraka fanovana lehibe isika isika eo amin’ny rafi-pitsarana, ka ho atomboka izany eo amin’ny sehatry ny fitsarana ara-barotra, ny fandraisana fanapahan-kevitra momba ny fanomezan-tsazy ary ny rafitry ny fonja. Izany fepetra izany dia hiteraka fahatokisan’ny vahoaka sy ny mpandraharaha ny rafitra amin’ny ankapobeny.

Ireo teny 8 ifanomezana

 
 

Ireo Tanjona