
Madagasikara Am-Perin'asa
Ny soatoavina hitarika ny MAP

Isika rehetra dia tokony miezaka manatratra ny faritra sy sehatra tsara indrindra misy ny matihanina.
Ny fitarihana dia tokony ho hita taratra mazava amin’ny ambaratonga rehetra eo amin’ny asam-panjakana sy ny sehatra hafa rehetra eo amin’ny fiaraha-monina. Ny mpitarika dia tokony hampiseho fandraisana andraikitra ka hanentana ny olona sy ny enti-manana rehetra mba hanatrarana ny tanjona voafaritra ao anatin’ny Vision sy ny MAP.
Tokony hanohy hianatra sy hanamafy hatrany ny talenta sy ny fahalalana isika mba ho tafita.
Tokony hampiroboroboina ny foto-pisainana fiaraha-miasa amin’ny rehetra, na any amin’ny faritra, na amin’ny kaominina na eo anivon’ny mpiray ombon’antoka iraisam-pirenena.
Ialana ny fampiasana kitoatoa ka atao izay hahazoana ny vokatra ambony indrindra avy amin’ny enti-manana misy eo amin’ny firenena.
Mba hahita fahombiazana eo amin’ny fifaninanana eo anivon’ny faritra, ny firenena, ary ny sehatra iraisam-pirenena dia tsy maintsy manana tanjaka manokana sy avo lenta ny sehatry ny fampianarana, ny sehatry ny asam-panjakana, ary ny seha-pamokarana tsy miankina.
Ny fitazonana ny fahamarinana, ny fahamendrehana ary ny fifampatokisana no ahafahan’ny mpiasam-panjakana mamokatra ho an’ny vahoaka.
Tokony hikiry, haneho fandraisana andraikitra, ary hanatanteraka ny teny nomena isika.
