
Madagasikara Am-Perin'asa
Ny MAP sy ny tanjon’ny fampandrosoana amin’ny taona arivo fahatelo

Hahena ho antsasany ny tahan’ny mponina eto ambonin’ny tany izay miaina amin’ny latsaky ny 1USD isan’andro hatramin’ny 2015, hahena ho antsasany ny tahan’ny mponina eto ambonin’ny aina iharan’ny hanohanana.
Hahatozo hatramin’ny farany ao amin’ny sekoly ambaratonga voalohany ny zaza rehetra hatramin’ny taona 2015.
Foanana ny fanavahana ny zazalahy sy zazavavy
any amin’ny ambaratongam-pianarana rehetra
hatramin’ny taona 2015.
Hahena roa am-pahatelony ny fahafatesan’ny zaza hatramin’ny 2015.
Hahena ho antsasany ny tahan’ny fahafatesan’ny reny hatramin’ny taona 2015.
Fehezina ny fihanaky ny aretina ary atomboka
ampidinina ny isan’ny marary hatramin’ny 2015.
Ampiharina ny paikady momba ny fampandrosoana maharitra sy ny fiarovana ny harena voajanahary.
Hahena ho antsasany ny tahan’ny mponina tsy manana rano fisotro madio sy foto-drafitr’asa ara-pahasalamana hatramin’ny 2015.
Sokafana ny tsenam-bokatra sy ny rafitra ara-bola iraisam-pirenena, ampiharina ny fanafoanana ny trosa, ifantohana ny fanomezana asa ny tanora, anaovana ezaka ny fahafahana manana fanafody amin’ny vidiny mirary, ary ampiana ny fahazahoana miditra amin’ny haitao manaraka ny toetr’andro.
