
Madagasikara Am-Perin'asa
Ny MAP no manangana fotokarena ho an’ny firenena

Ny fotokarena maha olona dia ahitana sampan-draharahan’ny fahasalamana, ny fanohanana ara-tsakafo, ny fampianarana ary ny fanofanana izay afahan’ny tsirairay mamokatra amin’ny lafiny ekonomika sy sosialy.
Ny fotokarena fotodrafitrasa dia ny lalana, ny famatsiana jiro sy rano, ny fitandroam-pahasalamana, ny seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo,ny lalamby ary ny fifandraisan-davitra izay tena manampy ny mpandraharaha, ny governemanta ary ny Vahoaka amin’ny asa aman-draharaha sahaniny
Ny fotokarena sehatra tsy miankina dia ny milina, ny trano, ny fitanterana, ny famokarana, ny paikady, ary ny rafitra araky ny lalàna ilain’ny mpandraharaha hahafahany mifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Ny fotokarena voajanahary dia ny tany azo volena, ny tany mahavokatra, ny harena ara-boajanahary, ary ny firaisan-tontolo iainana mirindra tsara izay ilain’ny firenentsika hampiroborobo azy.
Ny fotokarena fitarihana dia ny fahaizana mitantan-draharaha sy mitondra olona, ilaina manerana ny firenena hitondrana fiovana, hitarihina ho any amin’ny fampandrosoana, ary hanamorana ny fahazoana sy ny fikajiana ireo fotokarena hafa.
Ny fotokarena fahalalana dia ny fahaizamanao siantifika sy teknolojika izay mampitombo ny fahavokarana eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny governemanta ary mampivelatra ny famoronana sy ny fifaninanana.
Ny fotokarena andrim-panjakana dia ny fitantanana ao anatin’ny fandraisana andraikitra ary ny fanohanan’ny mpiasampanjakana ny firenena. Ilaina izany amin’ny fampiarana ny politikam-panjakana sy ny fanomezana sampan-draharaha mahomby sy mahafa-po, mamaly ny hetahetan’ny Vahoaka ara-potoana.
