Madagascar Action Plan

Madagasikara Am-Perin'asa

Rafitra ny fampiharana ny MAP

Madagascar Action Plan

RAFITRY NY FAMPIHARANA NY MAP

  • Ny Vision Madagasikara Voajanahary:

    Ny Vision Madagasikara Voajanahary sy
    ny Tanjona Fampandrosoana ho an’ny
    Taona Arivo Fahatelo no mamaritra ny
    lalan-kizoran’ny firenena amin’ny lavitr’ezaka.

  • Ny MAP:

    Ny MAP dia politikam-pampandrosoana
    mandritra ny dimy taona,
    antenatenan’ezaka, mirakitra ireo Teny
    Ifanomezana valo hiadiana amin’ny
    fahantrana eto amin’ny firenena sy
    hanaingana ny dingana lehibe.

  • Ireo Fandaharan’asa isan-tsokajy:

    Ny Teny Ifanomezana valo sy ny
    tanjona ao anatin’ny MAP dia
    voarakitra antsipirihany ao anatin’ny
    Fandaharan’asa isan-tsokajy.

  • Ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana:

    Ny Teny Ifanomezana ao anatin’ny
    MAP dia ampiharina amin’ny alalan’ny
    Politika Ankapoben’ny Fanjakana sy ny
    tetibolam-panjakana izay volavolaina
    isan-taona.

  • Fandrindrana ny fiarahamiasa iraisam-pirenena:

    Mba hahatsara sy hahatsapana kokoa
    ny vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny
    mpiray ombon’antoka avy any ivelany,
    dia hisy ny fihaonana isan-taona mba
    handrindrana ny asa. Hampitombo ny
    fiatraikan’ny asa izany sy hampihena
    bebe kokoa ny fahantrana.

  • Fanaraha-maso:

    Apetraka ny rafitra fanaraha-maso
    mba hahafahana manao tomban’ezaka
    ny asa vita sy manitsy ny fepetra eny
    am-perin’asa.

  • Ireo teny 8 ifanomezana

     
     

    Ireo Tanjona