Madagascar Action Plan

Madagasikara Am-Perin'asa

Ny Vision: Madagasikara Voajanahary

Madagascar Action Plan

Madagascar NaturellementMadagasikara. Hanana toekarena misondrotra haingana isika ary hahita fahombiazana amin’ny fifaninanana eo anivon’ny tsena iraisam-pirenena.

Hokolokolointsika sy ho arovantsika ny tontolo iainana, ary ho ampiasaintsika am-pahamendrehana sy amin’ny fandraisana andraikitra mba ho antoky ny fampandrosoana. Ny fototry ny fampandrosoana dia hiainga avy amin’ny fananantsika harena voajanahary miavaka sy ny fanodinana ireo vokatra voajanahary.

Ho salama sy hahazo fampianarana ny vahoaka Malagasy na ny any ambanivohitra na ny any an-tanan-dehibe. Ho mpandray anjara mavitrika eo amin’ny fizotry ny fampandrosoana ny rehetra ary samy hahazo tombontsoa amin’ny asa atao avy na eo anivon’ny fambolena sy fiompiana, na eo anivon’ny taozava-baventy, na eo anivon’ny fandraharahana matihanina.

Amin’ny maha-firenena iray, dia homentsika lanja manokana ny fananantsika kolontsaina sy fomba nenti-paharazana maro samihafa. Hirehareha amin’ny maha-Malagasy antsika isika, hitambatra ho iray ao anatin’ny firaisankinam-pirenana, ary hiasa hiaraka mba hanatrarana ny tanjona napetraka.

Ireo teny 8 ifanomezana

 
 

Ireo Tanjona