
Madagasikara Am-Perin'asa
Fanokafana ny loabary an-dasy 2007

Tompokolahy sy Tompokovavy,
Miarahaba anareo aho tonga soa eto amin’ity Fihaonana amin’ny Filoham-pirenena mikasika ny Fitantanana Tompon’andraikitra eto Iavoloha ity. Araka ny fantatrareo dia valo no isan’ny fihaonana tahaka ity ho atao eto mandritra ity volana ity. Roa izay no efa vita. Ny voalohany dia mikasika ny teny nifanomezana faha-6 « Fitomboana lehibe eo amin’ny toekarena» ; ary ny faharoa dia mikasika ny teny nifanomezana faha-7 «Tontolo iainana ». Nizotra tsara araka ny tokony ho izy daholo ny fihaonana.
Noho ny andraikitro amin’ny maha-Filoham-pirenena ahy dia tsy afaka ny hanatrika ireo fihaonana rehetra aho. Nefa kosa ny Mpiraiministra sy ireo Ministra voakasika amin’izy ireo avy no hiaraka aminareo hatrany. Eo foana izany ny Gouvernemanta hiaino izay feo avy aminareo.
Sokafako amin’ny fomba ofisialy izany ity Fihaonana mikasika ny Fanjakana Tsara tantana ity, satria, amin’ny maha-Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ahy, dia adidiko tokoa ny hanarahan’ny Governemanta ireo fitsika mikasika izany Fitantanana Tompon’andraikitra izany. Io teny nifanomezana voalohan’ny MAP io mantsy no isan’ny andry iankinan’ny fampandrosoana ny firenentsika. Io andry io no iankinan’ny fanatanterahantsika ireo tanjona ao amin’ny MAP sy ny tanjon’ny Fampandrosoana amin’ny Taona Arivo fahatelo.
Inona àry izany Fitantanana Tompon’andraikitra izany ? Voafaritra mazava ao amin’ny MAP ireo teny nifanomezantsika raha Fitantanana Tompon’andraikitra no resahina, izany hoe :
«.Hanana governemanta izay hitokisan’ny olompirenena Malagasy sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena isika. Io governemanta io sy ny asam-panjakana dia hanana fahamarinana, hahay ny asany, ary ho matihanina tanteraka amin’ny fanatontosana ny asany ; »
Nasaiko daholo ireo Minisitra rehetra voakasika amin’izany ary tokony hiara-miasa akaiky amiko izy ireo hanapariahana izany Fitantanana Topon’andraikitra izany ;
Eto izao ny Piraiminisitra satria izy no tompon’andraikitry ny Governemanta sy ny fampandehanana ny MAP. Amin’ny maha-Minisitry ny Aty Tany azy, dia tompon’andraikitry ny Fandriampahalemana eto amin’ny firenena izy.
Eto koa izao ny Minisitry ny Fanampariaham-panjakana. Tsy ho tanteraka ny fitantanana an’i Madagasikara manontolo raha avy eto amin’ny Renivohitra Antananarivo. Misy faritra 22 eto amintsika ka izy ireo koa dia tokony hampihatra ireo fitsipiky ny Fitantanana Tompon’andraikitra.
Eto ny Minisitry ny Fitsarana satria izy no tompon’andraikitry ny fahadiovan’ireo Mpitsara sy ny fahangaraharan’ny rafi-pitsarana eto amintsika. Hametraka fanovàna betsaka koa izy noho izany. Ny hetahetantsika dia ny hananan’ny mponina sy ireo ao amin’ny sehatra tsy miankina fahatokisana tanteraka ny rafi-pitsarana misy eto amintsika.
Ny Ministry ny Fitsarana dia miara-miasa amin’ny BIANCO. Izany no antony niantsoako ny Filoha Jeneralin’ny BIANCO. Andraikitr’izy ireo ny iadiana amin’ny kolikoly sy hanampariahana ny Fanjakana tsara tantana.
Eto Ramatoa Ministry ny Fiarovam-pirenena satria izy no tompon’andraikitry ny Hery Fiarovana ary izaho no Tomponandraikitra Ambony indrindra amin’izany Hery Fiarovana izany, araka ny Lalàmpanorenana.
Mila ny Ministry ny Fiarovam-pirenena sy ny Sekreteram-panjakana miandidy ny Fandriampahaleman’ny vahoaka aho hanampy ahy hamaritra ny paikadin’ny Hiarovana ny Firenena.
Mandritra ny roa andro dia hanana fotoana hahafahana mandinika ireo olana rehetra atrehan’i Madagasikara isika ka antenaiko fa afaka ny hamoaka ny hevitrareo rehetra ianareo, tsy am-piambahambana. Aza matahotra ary aza mihaotra akory. Farito izay sakana tsy hahafantsika mandroso. Ary mamporisika anareo aho hanolotra izay toro-hevitra hahasoa antsika
