
Madagasikara Am-Perin'asa
Hafatry ny filoham-pirenana


Ry Mpiray Tanindrazana, Ry Fianakaviambe iraisaisam-pirenena,
Efa nisafidy ny lalan’ny fanovàna i Madagasikara. Hatramin’ny taona 2002 dia nametraka ny fototra ahafahan’ny Firenentsika miroso amin’ny fampandrosoana haingana sy maharitra isika. Nofaritantsika tamin’ny Novambra 2004 ny Vision Madagasikara Voajanahary (Madagascar Naturellement), novolavolaina sy notanterahina ny fandaharanasa isankarazany hanomezana vahana ny fampandrosoana. Mba hanafainganana sy handrindràna ny asa fampandrosoana, ary koa mba hahatanterahintsika ny dingana lehibe sady tsara mankany amin’ny fanatsaràna ny toe-karena dia namolavola ny Madagasikara Am-Perinasa na MAP isika ny volana Oktobra 2006. Drafitr’asa goavana sy matotra ny MAP ary manoritra ny soridalana sy ny laharam-pahamehana ho an’ny Firenena ao anatin’ny dimy taona, 2007 hatramin’ny 2011. Voasoritra ao anaty MAP ny toky nomena, ny paikady sy ny asa hotanterahina mitondra mankany amin’ny fisondrotan’ny harinkarena haingana, mipaka any amin’ny fampihenana ny fahantrana, ary ahafahan’ny Firenena misintona tombontsoa avy amin’ireo fanambin’ny fanatontoloana (défis de la mondialisation), ka mifanaraka sy mifandraika amin’ny Vision “Madagasikara Voajanahary” sy ny Tanjon’ny Fampandrosoana amin’ny Taona Arivo Fahatelo (Objectifs du Millénaire pour le Développement). Ry Vahoaka Malagasy, Miantso anareo aho hifarimbona ampahavitrihana hanatanteraka ny MAP. Samy manana ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay satria lehibe ny asa miandry. Hitondra tombontsoa goavana manomboka any amin’ny tanàna kely indrindra ka hatrany amin’ny tanàn-dehibe eto Madagasikara ny fampandrosoana haingana vokatry ny MAP. Ho antsika mpiasam-bahoaka, fanamby ho antsika ny hiezaka hanatevina ny fahaiza-manao ara-pomba mba hahafahana manome fahafahampo ny Vahoaka amin’ny alalan’ny asa, asa tsara, asa mafy, sy hahafahantsika mampiasa amin’ny fomba ahitam-bokatra ireo fanampiana rehetra avy any ivelany. Izany no hiteraka valin-kasasarana mendrika ny ezaka vitantsika. Ka manome toky aho fa tonga ny fotoana ankehitriny hijerena manokana ny mpiasam-bahoaka. Isika mpiasam-panjakana izay antsointsika hoe “Mpiasambahoaka”, no loharanon’asa voalohany, hanaporofo vokatra tsara ho an’ny governemanta sy ny Vahoaka iray manontolo. Tena takian’ny Firenena tokoa ny fahavononantsika, ny fahasahiantsika, ny fahitsintsika ary ny fahamendrehantsika. Ho antsika mpandraharaha, eo amin’ny seha-pamokarana tsy miankina, isika no ivon’ny fahatratrarana ny tanjon’ny MAP. Efa nifanome teny hanana toekarena sy fihariana heniky ny fitomboana isika ahafahana manao ilay dingana lehibe sady tsara no mahomby eo amin’ny fampandrosoana. Tokony hampiroborobo ny mpandraharaha eto an-toerana isika hisandrahaka amin’ireo sampan’ny toekarena rehetra mba hampitombo haingana ny famoronan’asa. Tokony hahay hisintona ny mpampiasa vola vahiny isika ho an’ny fampandrosoana. Tonga ny fotoana hanohanana ny seha-pamokarana tsy miankina, hivelarany haingana, hampitomboany sy hanatsarany ny vokatra, ahafahan’ny mpandraharaha manondrana entana sy miatrika ny fifaninanana eo amin’ny tsenam-paritra sy ny tsena iraisampirenena. Ny fampitomboana ny fampiasam-bola no fototry ny politikantsika ahafahana mamorona asa, manome fanofanana, ary manatsara ny fari-piainan’ny Vahoaka Malagasy. Ho anareo mpiara-miombon’antoka aminay eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana, sy ny fianakaviambe iraisampirenena ary ianareo mpamatsy vola, efa nandray anjara lehibe tokoa ianareo teo amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Misaotra anareo aho amin’ny anaran’ny Vahoaka Malagasy. Fa mbola misaotra betsaka anareo mialoha koa aho amin’ny fanampiana lehibe izay ho ataonareo amin’ny fanatanterahana ny MAP, hanamafy ny fiaraha-miasa hanatevenanareo ny enti-manana mba hanatsarana ny fotodrafitrasa, ny fanabeazana, ny fahasalamana, indrindra ny ezaka amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana sy ny ady amin’ny VIH/SIDA, ary ny fiharian’ny Tantsaha. Zava-dehibe loatra ny fifampatokisana ka dia hotohizantsika hatrany izany. Amin’ny maha Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ahy, izay nitarika ny famolavolana ny MAP, dia manome toky aho fa hanao araka izay tratry ny heriko hanatanteraka antsakany sy andavany ny MAP mba hitondra fampandrosoana haingana sy maharitra ho an’i Madagasikara.
Homba ny Firenentsika anie Andriamanitra!
