
Madagasikara Am-Perin'asa
Fanontaniana / Valiny

Ezahina ny mamaly azy ireo
Isaorana betsaka ny hetahetanao. Hita taratra amin’izao fa misy tokoa ny fandraisana andraikitra, izay tokony hananan’ny Malagasy rehetra tsy misy ankanavaka. Afaka mandray anjara amin’ny MAP daholo ny rehetra. Mba hampirindra ny asa rehetra anefa dia asaina ny rehetra ho any amin’ny biraon’ny faritra misy azy avy hidinika izay fiaraha-miasa tokony hatao.
Manantombony amin’ny DSRP ny MAP noho izy manoro avy hatrany ireo tetikasa mamaritra ny laharam-pahamehana isaka ny teny ifanomezana. Marihina fa manolo tanteraka ny DSRP ny MAP. Azo lazaina ho loha laharana isika Malagasy amin’ny fananana ny MAP, noho izy drafitra novolavolaintsika fa tsy nobaikon’ny mpamatsy vola.
Tsara ho fantatra fa ny MAP dia tsy famatsiam-bola velively. Paikady manoritra ireo asa kasaina hatao ka mitondra amin’ny fisondrotan’ny harinkarena haingana izy io. Ny hampihena ny fahantrana, ary ahafahan’ny firenena misintona tombontsoa amin’ny fanambin’ny fanatontoloana, ka mifanaraka sy mifandraika amin’ny Vision “Madagasikara Voajanahary” sy ny tanjon’ny Fampandrosoana amin’ny Taona Arivo Fahatelo (Objectifs du Millénaire pour le Développement) no tena imasoany.
Hianareo mpianatra dia afaka manao fikarohana momban’ireto sampana ireto :
- Politika toa inona no ahafahana mamokatra bioenergie mifandrindra @ harena voajanahary eto Madagasikara
- Ahoana ny fomba hitrandrahana haingana ireo chute d’eau misy ary inona no tombotsoan’ireo safidy azo atao (Vrai barrage et et turbine en ligne)
- Fomba Ahoana (ara teknika sy ekonomika) no ahafahana mampifandray ireo herinaratra hydro rehetra mba ampatanjaka ny réseau interconnecté.
Anatin’izany ny fomba hanatratrarana ny 76% hydro anatin’ny MAP @ 2012
- Ahoana no ahafahana manitatra sy mampitombo isa ny turbine latsaky de 50KW mba hitondrana herin’aratra @ tanana mitoka monina?
Efa eo ampitrandrahana izany isika izao. Raha 7000 MW no efa fantatra fa azo trandrahana dia 500MW @ ireo efa tokony ho vita @ 2015. Mila vola 150.000$ eo ho eo vao mahatrandraka 1 MW kanefa tsy azo zarazaraina ny barrage mba itsinjovana ny any aoriana. Efa omena fahalalahana ny fitrandrahana barrage latsaky ny 50MW raha sarotra be izany taloha. Mila teknisiana toa anao ny firenena raha tiana handeha haingana kokoa izany rehatra izany.
