
Madagasikara Am-Perin'asa













Tanjon’ny MAP ny manafoana ny faritra mena eo amin’ny asan-dahalo manerana ny nosy; ohatra mivaingana amin’izany ny faritra Menabe.
Voasokajy ho faritra mena teo amin’ny asan-dahalo nandritra ny taona maro ny faritra Menabe. Ny taona 2007 ary no nanomboka ny tetik’asa KALONY, izay fandaminana maty paika tanterahin’ny mponina handravàna ny asa ratsin’ny dahalo. Ampiana amin’ny fiofanana ihany koa ireo mpanatanteraka ny Kalony mba hampirindra tsara ny asany.
Eo amin’ny faritra manelanelana an’ny Manja sy Miandrivazo manokana ohatra dia milamina tokoa nandritra ny fisian’ny tetik’asa.
Anisan’ny paikadin’ny zandary iadiana amin’ny asan-dahalo ihany koa ny fanantonana ireo olon-dratsy. Niteraka voka-tsoa izany satria nisy tamin’ireo dahalo no nitsahatra tamin’ny halatr’omby ary nanatevin-daharana ny mponina amin’ny Kalony.
Amin’izao fotoana izao dia miandraikitra fanentanana maro samihafa ihany koa ireo manatanteraka ny Kalony ankoatra ny fandriam-pahalemana: fanentanana amin’ny fandefasana ny ankizy hianatra, amin’ny fiterahana any amin’ny hopitaly sy ny fampiasana rano madio.
