Madagascar Action Plan

Madagasikara Am-Perin'asa

Madagascar Action Plan

Actualités

Ireo teny 8 ifanomezana

 

Village MAP « Vohitra Filamatra »

Vohitra Filamatra

Ny «Vohitra Filamatra» dia natao sy heverina ny hanafainganana ny fanatanterahana ny tanjona lehibe voafaritra ao amin’ny Madagasikara Am-Perinasa na MAP. Ny tanjona tiana ho tratrarina dia ny hanomezana tosika ary koa fanampiana ireo Vohitra hanatratrarana ny tanjona voasoritra ao amin’ny MAP.

Ny hevitra fototra vohizina ao amin’ity fijery « Vohitra Filamatra » ity dia miompana indrindra amin’ny fandraisan’andraikitry ny mponina hanatanteraka « dingana lehibe » amin’ny alalan’ny herin’ny tenany aloha. Tsara soritana etoana fa antoky ny fahombiazan’ity asa atao amin’ny Vohitra Filamatra ity ny fananan’ireo mpitarika rehetra ao anatin’ireo tanana voafidy ireo « Fahaiza-mitarika mari-toerana sy azon’ny vahoaka izay tarihiny tarafina » amin’ny fampianarana teknolojia efa voasedra, tsotra ary maharitra. Izany dia tokony ho hita taratra manomboka amin’ny fotoana :

mba hahatanteraka ny « fampandrosoana misandrahaka ». Koa amin’ny dia ho hita misongadina ny « Fandrosoan’ny olona rehetra sy ny olona manontolo ».

Ny fikarohana ny enti-manana rehetra ilaina hitondrana ny fiovana sy ny fampandrosoana tian-ko tanterahana dia anisan’ny zavatra andrasana avy amin’ny fahaiza-mitarikan’ny tomponandraikitry ny toerana izay voafidy. Izany hoe, ny mpandray anjara rehetra amin’ny fampandrosoana dia tsy maintsy mitady sy mametraka paikady vohevitra tsara ho enti-mitrandraka ny otri-karena (na potentialités) sy ny soa fanararaotra (na opportunités) ao aminy ho fanohitra sy ho fampidiram-bolan’ny tanana. Raha tsorina, dia rafitra sy paikady maharitra no takiana amin’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany mba hampahahomby ny Fanampiasam-bolam-panjakana ka dia hahazaka tena ilay faritra rehefa tonga ny fepotoana hitsaharan’ny fanampiana.

Fehiny :

Ity Vohitra Filamatra ity dia tokony hahitana taratra mazava tsara sady azo tsapahin-tanana ny fahombiazan’ny Madagasikara Am-Perinasa eo amin’ireo vohitra na tanana voafidy ireo: Tanana madio, milamina maha te-honina ary ny mponina ao dia afaka mamokatra tsara. Koa hantenaina, ho setrin’izany, fa hianaka amin’ireo vohitra na tanana manodidina azy ny fomba fiasa nampiharina tao ka ho tonga ohatra tsara hitan’ny olona maso ary ho fanohitra hanosika azy ireo hanao eny mihoatra izay hitany tao aza.

Faharetan’ny Tetik’Asa :

Ao anatin’ny erintaona sy tapany (1 taona sy tapany) ka hatramin’ny roa (2) taona raha ela indrindra dia heverina fa ho tratra avokoa ireo tanjona voafaritra ao amin’ny MAP raha ny an’ireto Vohitra Filamatra ireto ary ahitana fiovana lehibe ny Tanana.

Aiza no hampiharana azy :

Manana fahefana feno sady malalaka ny Lehiben’ny Faritra hisafidy ireo Vohitra ao aminy izay heveriny fa tokony ho atao Filamatra. Tena ilaina ny fahavononana fa tsy maintsy arahan’asa. Tsy distrika kaomina, tsy fokontany fa vohitra ahitana 100 na 150 tafo raha be indrindra.

Hanao ahoana ny Fanatanterahana ny Vohitra Filamatra :

Ny Planina na ny programan’asa voalohany ho enti-manatanteraka ity Vohitra Filamatra ity dia heverina fa ho voarafitra aorian’ny fihaonana ny 29 – 30 Septambra 2008 izao. Ny zavatra rehetra dia hiainga avy any amin’ny mponina ao amin’ilay vohitra.

Tompon’Andraikitra Voalohany :

Ny Lehiben’ny Faritra ampian’ireo solontenanan’ny vohitra nandray ny fiofanana.
Fanaingana ny Fampandrosoana izay mifanaraka amin’ny Vinan’ny MAP :

  1. Fanatsarana sy fanadiovana ny Tanana, fanatsarana ny trano fonenana: raha ilaina dia manorona Tanana vaovao mihitsy.
  2. Fampandrosoana ny Tontolo eny Ambanivohitra
    • Fiovana Natioraly : famporisihana ny fampiasana ny Zezika ara-boa-janahary
    • Fampiharana ny tekinikam-pambolena SRI na “Voly Vary Maro Anaka” na “Ketsa Roa Ravina”
  3. Famatsiana Herinaratra avy Angovo Vaovao
    • Angovo na Herinaratra azo avy amin’ny Herin’ny Masoandro
    • Angovo na Herinaratra azo avy amin’ny Herin’ny Rivotra
    • Angovo na Herinaratra azo avy amin’ny Riandrano
  4. Fifehezana sy Fahaiza-mitantanana ny Loharanon’ny Famatsian-dRano
    • Famatsiana Rano fisotro Madio
    • Famatsian-dRano ho enti-mamboly
    • Fanadiovana ny Tanana
  5. Foto-drafitr’Asa
    • Lalana famoaham-bokatra
    • Toha-drano
  6. Famatsiam-bola Madinika sady Maharitra
    • Maharitra
    • Mamaly sady mifanandrify amin’ny filana tadiavin’ny mpahazo tombontsoa